SAMIA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Tononkalo napetraka tao amin ny ATRI-TAVA , tafatafa niarahana tamin i zoky S.O.R )

SAMIA

Samia vonona isika, ary samia resy lahatra
ka ny teny malagasy no hoventesin-tsy hitsahatra
hanabeazam-boho ny zandry, hampitàna ny traik'efa
hoenti-miatrika ny ho avy, hoenti-miady koa rahefa

Samia vonona sy sahy, na izaho na ianao,
hampakatra avo ho fanilo, ilay tenindrazantsika izao
ka hanentana ireo namana, ireo tapaka, sakaiza,
hampiely izato teny gasy, ho teny atao hifampitaiza

Samia vonona isika, ka andao hifampitaona,
samia hiasa an-taniny avy, eny na dia hoe tsy mihaona,
ka ireo mpanimbazimba, sy ireo izay mpanambany
hotorointsika dia, ka hiova izany saina izany

Samia miezaka isika, eny na an-tanin olona,
hanandratr'avo ny antsika, hijoro tsy ho menatr'olona,
isika moa ve dia ho ambaka, ny arabo, ny sinoa
n'aiza n'aiza misy azy, ny teniny no ampiasainy aloha

Samia isika manajary, ny fitenin-drazantsika
ka hiovan'ilay fijery, hoe ny azy aloha vao ny antsika,
ahitsitsika ilay fisaina, hoe tsy lasa lavitra eto an-tany
hoentina hampiasaina aiza, izany teny gasy izany,
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
848 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329