Samitiana (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny anarako sy ny an'i dadako, no nomeko anao ry zanako
ho mariky ny fitohizana sy ny tantaran'ny taranako

Ny fanampiny indray, dia nofidianay sy neny
ho famintinanay ireny, fifankatiavana ireny

ilay anarana iray, dia anaram-pahatsiarovana
ilay andrim-pianakaviana, tsy ho resim-pahalovana...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
982 0
Hevitra mandeha
ikalamako ( 09/03/2010 22:08)
tsisy "j'aime" ato e ? 😉

Tonga soa eto anivonay i Samitiana, ilay misava làlana ny amin'ny tso-dranon'ny Ntaolo, fa dia tongava soa koa ny enin-dahy fito vavy e. Maroroa taiza ry izy mivady a !
raozigasy ( 10/03/2010 08:58)
misaotra ikalamako
mangidy ( 20/03/2010 22:23)
Tonga soa i Samitiana
Loharanom-pifaliana
Satria tambatra fitiavana
Nampitombo ny Hasambarana

Dadanao sy Neny izao,
Ilay nanampaniriana,
Ka nomen'ilay Nahary
Zaza mamy Sady tiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0374