Saotra (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
saotra mitovy sy sahala
tsy misy tombo ts’isy hala
tsy mba natao am-bakiraoka
fa ny marina no avoaka

saotra betsaka sy mamy
tsy mety hoe an-tanan-dany
no omena ts’isy laro
ho anareo izay nahatsiaro

sitraka tsy mety tapitra
no omena mba haharitra
ho anao izay nahatsiahy
ity fety androany lahy

ny anio tsingeringerina
ny ampitso ihany no miverina
fa ny tsara sy ny mety
ny fihavanana no arenty
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0333