Ampidiro aloha ny tenimiafina
Serana (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandalovanao niserana tanaty andro vitsy monjaNo nanaitra indray ny foko ka ny fitiavako nanonja
Lohataona ve ny andro, sa ny volam-penomanana
No nitondra hazavana, k’ilay aizina nifarana
Ny hafanan’ny andro ve ? sa ny fandaozan’ny hatsiaka
No nampihaona nampiray, nampifanantona antsika !
Sa ianao nahatsiaro irery , ary izaho moa efa tokana
No nahatonga antsika roa hiaraka mitokatokana
Sa ianao no mahatsapa , ny fiainanao ho teritery
Ka lasa ianao nitady koa, zavatra hafa hojinery
Fanontaniana daholo izany , asa izay mba mety ho valiny
Na izay mety ho fihevitra azy , na izay filaza sy ny tariny
Fa ny fantatro dia izao, andro fohy sy vitsy monja
No nanaitra indray ny foko, ka ny fitiavako nanonja
05/07/04
--------
Rohy:
