Seraser'Alina Fahatelo (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Seraser'Alina fahatelo
tongava tongava ry olombelo
hifaly isika sy hikorana
koa aza misy mitamatama

Seraser'Alina fahatelo
tandremo tsy tonga fa halahelo
hihira isika hikaraoke
hisotro sy hihinana composé

Seraser'Alina fahatelo
Dj Sim Jay eo hamelombelon'
ilay ambiance Serasera
koa tongava maro aza mitavera

---------------------------------------------

Ho an’ireo nanontany tsy nitavera
Ny toerana ESPACE ROBESPIERRE
Ny laharan-dalana moa dia 2
Dia tandremo indray sao tsy tonga aloha

Ny tanàna moa Ivry sur Seine
Amin’izay i GPS ka tsy mipenina
Raha amin’izao ianao no hoe mbola very
Dia antsoy aho f’aza miteny irery

Ny metro indray MAIRIE D’IVRY
Raha toa tsy hanatitra anao leiry
Dia miandry anao ao i THB
Sy ny ambiansa manjabe

Ny henakisoa sy ny voanjobory,
Tsy hanadino anao tsy akory
Ny tsakitsaky sy compose
Tena hampanenina izay tsy handeha

Koa tongava maro, tongava maro,
Fa ny kawitry kilalaka hifangaro,
Indrindra fa I corde à sauter
Efa miandry anao, hi s’amuser ….

Oay ny fotoana kay ka amin’ny valo,
Manomboka ny hira sy kalokalo
Ny tononkira antsika ao an-tserasera,
Ny karaoke miaraka amin’ny vera

------------------------------------------------------------

Tongava raha ho avy fa aza be kabary
Ny aty efa vonona ny sipa sy tary
Ny fety dia mianga tsy miandry marary
F’efa masaka ny voanjobory sy vary

Tongava raha ho avy sy mila ambiansa
Fa efa pare ny hira sy dansa
Raha toa moa tsy tafa dia efa bonne sansa
Raha milay ny revy dia à toi le je pense

Tongava raha ho avy, hikaraoké
Hampiara-peo amin’ny marobe
Fandraisana anjara no zavadehibe
Raha mivalam-peo dia miara-mihomehy

Tongava raha ho avy, fa sao dia hanenina,
Sao maheno ny fety aty zay vao badenina
Dia izay vao hikorapaka hipenipenina
Ny train efa dila anikeheo tamin’ny enina

Tongava daholo na ny be na ny kely
Na bandy celiba na madimozély
Na zana-devoly na zanak’anjely
Fa io ny antsika no avance noely

Tongava mba hiaraka hanal’azy
Amin’ny sangisangy, sy ny vazivazy
De ze tianao, na salegy na jazz
Fa ny ekipan’ny Sera efa samy Kourazy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1085 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0353