Tanalahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko ny masoko hoe mivontirika, sy ngeza dia ngeza tsy misy ohatr’izany
Kanefa aho mahita ny zava-drehetra, ny aloha, ny aoriana, ny ambony, ny ambany

Ekeko ny lelako hoe maharikoriko, malilalila sy lava dia lava
Kanefa izy mahazo izay haza tiany, raha vao misokatra kely ny vava

Ekeko ny lokoko hoe mampahatahotra, ary ny hoditro tsy mahate hikasika
Kanefa iny no manda fiarovako, iovako loko, na an-kazo na am-pasika

Ekeko ny diako hoe mandroso mihemotra, mandinika aloha vao sahy miroso
Kanefa izay ny ahy no fahendrena, mandalina, tsara fa tsy misosososo

K’ianao ra-olombelona manaova toa ahy
Mijere, mandiniha, vao manao raharaha
F’izaho aza bitika, mahay an’izany
Maika f’ianao mpanjakan’ny tany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
826 0
Hevitra mandeha
vony501 ( 12/11/2013 07:09)
Eny tokoa iky ry tanalahy
Lesona maro no azo amin'Ingahy
Mety ho tsara, nefa koa mety ho ratsy
Arakaraka ny zoro itarafana lafy

Ilay dia mandroso sy mihemotra
Dia tsy midika hoe "mitakemotra"
Fa manaraka tsara ny zotran'ny maso
Ambony, ambany, andao,...andraso

Fa ilay loko izay mora miova
Dia mety ho ratsy sy tena mandoza
Na ara-pitiavana io na ara-pôlitika
Dia tena manimba ny fiainantsika
raozigasy ( 12/11/2013 16:03)
ka misy lafy ratsy sy lafy tsara daholo ange izy io Vony501 ee
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0351