Tandremo indray sao fay (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho an’izay tsy mahalala
dia efa misy ny valala
ny mpilaza koa mahay
ka tandremo indray sao fay …

Mandeha ny honohono
Fa ny politikany hono
Dia "baomba" tsara fono
Entina manjono,
Ireo Malagasy kely
Mihevitra azy ho anjely
Ka miezaka hampiely
F’izy tsy hita velively
Raha hampandroso firenena
Sady tsy tia tena
Ka izy re ekena
Fa izay no famonjena

Ny resaka mandeha
Fa fika be dia be
Tsy tsara loatra ange
No nomanin-dramose
Efa tsy niato
Ho solona harato
Hahazahoana vaton
’ny mpifidy ato ho ato
Fa izy tsy hiambaka
Hanongotra ny faka
Sy ireo zavatra tsy zaka
Rehefa izy no manjaka

Mandeha koa ny tantara
Fa zavatra tsy tsara
No nataony tany afara
Fa afenina tsy ambara
Fa tsy olona vaovao
Akory ny anao
Fa hay akama efa tao
Niaraka nanao
Kolikoly fikafika
Sy hevi-politika
Lalàna tsara dika
Ary ady alika

Mandeha ny bala rora
Fa ho avy moramora
Ny latsa sy ny akora
Raha toa migoragora
Ny vahoaka Malagasy
Ka milasilasy
Mifidy an’io “faux-kasy”
Fa io olona efa ratsy
Fa hevi-petsy ny azy
Sy resa-bazivazy
Ilay hoe mahavita azy
ka hamadika ny "pazy"


ho an’izay tsy mahalala
dia efa misy ny valala
ny mpilaza koa mahay
ka tandremo indray sao fay …
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Aingam-panahy
911 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307