Tati-bolana (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nivadika ny volanaDia hitako nitati-bolana
Ilay pejim-“pacebook”
Nanao pentsona boloky
Nilaza izy ka nilaza
Hoe misy ankizy, misy zaza
Misy maoty, vantovantotra
Misy lehibe, misy antitrantitra
Misy mangalatra am-piasana
Misy an-trano ka tamana
Misy tsy mahafoy ilay finday
Fa n’aiza n’aiza eo indray
Misy efa sasaka ny alina
Misy maso efa lalina
Misy asa atao an-kilabao
Fa eo foana isan’andro izao
Dia nojereko tsy nilasy
Ireo tononkalon-dRaozigasy
Inona tokoa no teo
Teo no tratra ry zareo
Hay efa enin-jato
Ireo mpanaraka tsy miato
Na andavan’andro na andro fety
Mjiery eo kely fa tsy mety
Koa dia fisaorana mitafo
Sarobidy fa tsy lafo
Arahin-telina sy sitraka
No atolotra ireo mpakasitraka
Mampazoto mampahery
Hita mihitsy fa tsy irery
Mizara ireo talenta anaty
Fanahy miainga ka tsy tanty
Dia zarao hatrany hatrany,
Ireo kantotsika izay mba mamy
Io sisa no haren-tsy lefy
Hikambanantsika fefy
Dia misaotra, dia misaotra
Hoy Raozigasy faly loatra
Izay saotra tsy tobaky ny fony
Dia ho valian’ny ao Ambony
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy