te hihaona fotsiny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Tahirintsoa ary atolotra an'i Soarilala

Te hihaona fotsiny
Hiresaka mangina, ny fihetsika sy fomba
Tsy hiloa-peo akory, nefa hitsikombakomba
Ny maso hifampijery, anatin’ny fikipîny
Ny tanana hifanena, hifanalavitra ny kitiny

Te hihaona fotsiny
Handresy sy hampitresaka, ilay elam-pahanginana
Feno filaminana, an-trenam-pamikinana
Ka ny tsy naloaka, sy ny tsy nambara
Rehefa ela ny ela, indreo fa voazara

Te hihaona fotsiny
Hizara ny tsy tanty, tanaty fiandrasana
Sy hanakatom-pejy, ireo elanelan-dasana
Tsy nahafaha-nanoatra, noho ireo bahabahana
Ka manararaotra mafy, vao mba nahazo vahana

Te hihaona fotsiny
Avy eo mifampitafa, sy mifanatsafa
Rehefa afa-tsakana, ireo nampijafajafa
Sy nampiolomay, niaretana hatrizay
Tsy te hihaona fotsiny fa te hihaona indray
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
752 1
Mpakafy: Soarilala
Hevitra mandeha
Soarilala ( 01/07/2013 17:37)
Misaotra e!

Te hihaona fotsiny
Ho avy ny fotoana, ela niandrasana
Hahatsiarovanay, ireo rehetra lasana
Efa tsy andry mihintsy, ny hifankahitanay
Tsy te hihaona fotsiny, fa te hihaona indray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0339