Teo sisa izy no tavela (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notazaniny indray, ilay hosodokom-paratazana, miloko menafifydia nalainy sary an-tsaina, ilay lentin-johariny iny , takariva izay midify
nampiany sarim-boronkely, miriodriotra maika hody, sy mirifatra fanidina
ary namaranany azy, vera kelin'alikaola, nataony miadana fampidina
Nosokafany ihany koa, ilay tahirina kapila, miraki-tsiaro ny hira tiany
dia avy hatrany tsy nisala, naka hiram-pahatsiarovana, « railovy » no nofidiany
dia nilahatra nisesy, na « rakoto matilo » na koa ny « alina paris »
tonga dia tsapany tanatiny, fa nisy tsindrona nahery, terak'embo-nikodia
Nitombonany avy hatrany, ilay sezalavam-pizarana, ny hetahetany mpisidina
nosintoniny malaky, ilay penina sy taratasy, f'iny ilay aingany nanidina,
nanaikinaikitra, nandoaka, ny tsiahy bangan'olo-manina, lavi-kavana irery
dia nataony am-bakiraoka, tan-tsoratsora-dokotera, ho tononkalo tsy ho very
nony tapitra ilay hira, dia nisentoany kely indray, ilay hafa-teny an-drangorangotra
ilay sentom-pony izay tsy tana, hay ve moa k'izay no antony, tan-tsoratra izy nisarangotra
ka dia novainy ny mozika, nosoloiny maila-pihetsika, fa ampy izay ilay ivaiva
naleony koa niova tranga, sao manaikitra ny banga, iny izy nihaino an'i Tsiliva
fa ny loza dia vao maika, nanao be fidina am-pisotro, tsy nametrapetra-pefy
ka totoafo ts'isy bedy, ilay fandrarahana am-bera, tsy nety intsony hoe voarefy
mandram-panolany tavoahangy, nandritra ilay tete farany, nampiraikitra ny lela
… dia teo koa vita ny tantarany, nironjona indray mandeha, dia teo sisa izy no tavela
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy