Tokontany sovenira (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tokontanibe filalaovanay fahiny, nolalovako tsinahy omaly hariva tamin’ny dimy
dia taitra kely aho sady zendana, nahita izato fiovana
fa ny telo ampahaefany, efa voavidin’ny karana
izay sisan-toerana nijanona, tambadik’ilay joalan-drindrina
fiainana mampahonena, teny ratsy feno rindrina
misy trano fisotroana,mitsipozy,mitsilopy
feno karazandrazan’olona, mivorivory an-tropy
eo anilany indray,lafi-baoritra milahatra
tohizan-gony varavarana, sy vezivezy tsy mitsahatra
fifandimbiasan-dehilahy,manakaiky retirety
sy tovovavy jefijefy, mihaona kely vetivety
izay manodidina rehetra, na ny tamboho, na amin’ny tany
feno lo, feno fimailo, feno diky, feno amany
ilay sisan-tokontany, zoro kely mba nazava
lasa toeram-pilokana, rarak’ompa sy taim-bava
dia nihorona ny lohako, nahita izato fiovana
izao izany sisa ve ? no niafaran’ilay tanàna
fierem-boto, firevena, fiainan-doto tsy madio
fivarinan’ireo resy, fihaonan’olona mijio
nefa teo ange fahiny, tokontanim-pahazazana
teo izahay no nilalao, nihosom-bovoka mazàna
teo izahay nanao zoera, nanositosika kodiarana
nanao fanenijka sy baolina, rehefa vita ny fianarana
nandraingy kely aho nandeha nody, nanaikitra ahy ity fiovana
fahaverezana mandotika, tankonan-drindrin’ny karana
karazam-piaina roa samihafa, sisa sary mba voakira
lovan-toeram-pilalaovan’ ilay “tokontany “ sovenira
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy