Tononkalo masaka (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na hoteren’ialahy aza aho, hoe manorata tononkalo
Tsy misy teny hivoaka eo, raha tsy ny ainga no mihalo
Tsy misy gadona hidoboka, na hoe rima iray hisolana
Tsy hisy vaikam-po hifafy, hirindra anaty voambolana

Na tereko aza io, hoe ndeha ny tanako hanoratra
Tsy misy loatra avy ao anaty, hiteratera-jana-tsoratra
Tsy misy horitsika hanosika, hampiorona ny tsangam-bolo
Tsy misy sary atovy dika, hifanoharan’ny tontolo

Fa aleo teren’ny tempom-po, hibadabada an-dobodoboka
Na lalina habak’ainga aza, atao soa fianika, firoboka
Na avo aza ny embon-tsiahy, lanosana any am-pahalentehiny
Ka ny tamba-betso, angon’ainga, raofiny amin’izato hamehiny

Dia hibaradaka hiraraka, ireo litera am-bakiraoka
Hivangongo am-pehezana, an-drarin-drefotra sy poaka
Hisononoka an-drimarima, ireo ainga miparasaka
Dia atolotra anareo mpamaky, izay tononkalo masaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494