Toy izany ny andro rehefa tsara (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Menavava feno bitaka
Izay tojo azy savoritaka

Zazakely faly an-kiaka
Mitehatehaka sariaka

Ankizy maro mikarenjy
Mihazakazaka amim-benjy

Tovolahy mihanjakanjaka
Miseho misetra hoe matanjaka

Tovovavy mielatrelatra
Maka tsioka am-belabelatra

Lehilahy sy ny findainy
Mifantopantoka ao ny sainy

Vehivavy maka taratra
Manila tsatson-dokon’aratra

Zokiolona miteza
Mamihin-tehina eo an-tseza

Izaho ato anaty fiara
Mandrindra izany ho tantara
Dia avy eo mizarazara
Toy izany ny andro rehefa tsara
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1192 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326