Tranga tena marina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noraisiko an-tendro,
Ilay teny mampifendro
Hoe tsemboka ny tava,
Vao mihinana ny vava

Ka ireo mpiasa tany
Vary iray vilany
Sy ovy alaina rony
No hanina mba zony

Ireo mpiasa an-dakozia
Anjara iray vilia
No takalon-tsoron’afo
Tsamby tsy mba lafo

Ireo mpiasa mpahay tefy
Hadiry tsara refy
No fanolotra azy
Toa endrikendri-tsazy

Ireo mpamily fiara
Sakafo tsy mba tsara
No hohanina maimaika
Mba hahazo vaika

Ireo mpiasa birao
Manao palitao
Tsy tsemboka mitady
Mihinana salady

…

Dia nihidy teo ny vavako
Namaka ilay filazako
Tsy resaka itarina
Fa tranga tena marina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.4932