Tsiahy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiahy

Tsy afaka am-bavako ny hiran’i neny
Ny siokan’I dada tsy afaka an-tsofiko
Ary ireny kalo mitambatra ireny
No vetso sambatry ny aty nofiko

Kotaban’ankizy, mikorana hariva
Sy soron’afo, ambody forohana
Anaty tsilopin’ny masoandro iva
Manindrona anaty ilay foko efa tohina

Lalao an-tsomamby eny ambanivohitra
Fiarahana mamy redonina hira
No sary asalin’ny embon-tsy tohitra
Tsiahy manaikitra aty an-dakira

Nindaosin’ny lasa, ho tantara izany
Ka mivadika ho embona, saro-boafehy
Kanefa voarakitra ho tsiaro mamy
Mipongatra foana, am-potoana mandeha
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1107 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0326