Tsipolotry ny foko (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsy reko mihitsy, ilay famikiranaoTsy tsapako mihitsy hoe naka fy ianao,
R’ilay tsipolotra iny,
Fa raha reko izany, tsy nataoko ambany
Manara-pataloha, sy mirefa an-tany
Ilay tsipolotra iny
Ka anio efa haiko, ilay toerana tianao
Eo akaikin’ny fo, hitia sy hilalao
Ry tsipolo-tsara loko
Koa mifikira ianao, isika tsy hifandao
Tsy akifiko hianjera, fa tiaviko ianao
Ry tsipolotry ny foko
--------
Rohy:
Sokajy :
Sitraka sy setriny
Hevitra mandeha
pisokelinah
(
06/10/2010 13:23)
ntsô!!!!sambatra le tsipolitra mba afaka miraikitra aminao eny foana!tandremo atao fitia siligaoma a!!!sad ef voatsako ka matsatso d ariana,aveo hitsahina indray refa manaraka ny vodi_kapa
pisokelinah
(
06/10/2010 13:25)
ntsô!!!!sambatra le tsipolitra mba afaka miraikitra aminao eny foana!tandremo atao fitia siligaoma a!!!sad ef voatsako ka matsatso d ariana,aveo hitsahina indray refa manaraka ny vodi_kapa
Aynah
(
19/01/2011 22:41)
Hihihi, mampihomehy koa i pisokelinah ka! Tena tsy mety mijanona ilay fihomehezako ato nefa ny andro ity efa alina be, ny olna ato antrano matory, za mivanivany eto ambony ordi eto,tena hafa mihintsy ilay hoe "aveo hitsahina indray rehefa manaraka ny vodi-kapa", hihihi, imagineo ange e! Dia mbola miraikitra be ihany le siligaoma, sady mizarazara karatra be! hihihih