TSY AZOKO (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy azoko sakanana, tsy halazo izany ravinaF’izay no lalàn’ny voary, ka tsy azoko hoe ho lavina
Fa ny azoko atao, dia ny mikarakara
Manondratondraka azy, mitondra kolo tsara
Tsy azoko fefena, tsy ho maizina ny andro,
Satria tsy maintsy hilentika hariva ny masoandro
Fa ny azoko atao, dia ny mianoka ny tarany
Sy mitahiry anaty, ilay hafana nozinarany
Ianao tsy azoko terena, raha mandà ny foko
F’angamba ny fitiavako, no vilany diso toko
Fa ny azoko atao, dia mitsiriritra an’nofy
Sy manohy ny fiainako, raha tsy te ho farofy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy