Vao iny ianao miranga (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Entam-po tsy laitra,
Fifaliana raitra,
Hetaheta taitra,
Angolangola vaitra…

Bitaka anaty,
Mandoatra ireo tsy tanty,
Te hifamato-maty
Fitia tsy lany daty

Hotraka fitia,
Maniry ny hiria
Hiaraka doria
Fa tena samy tia

Angovom-pitia sahy
Vaika tsy manahy
Mampiainga ny fanahy
Lavitra ahiahy

Izay no tamban-tranga,
Seho manangasanga
Ny lanitro mihamanga,
Vao iny ianao miranga
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0399