Zara kanto (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hosokafana ny vata
Dia hozaraina sy hatata
Ho setrin-jo ho setrin-tsata
Ireo ainga mba binata
Tsy taka-bola sy parata

Hirahiraina hokaloina
Hankalazaina, sy henoina
Hampiana angola , hanaingoina
Ireo langon-drima koa vetsoina
Dia Ireo mpaka fy antsoina

Hovoriana ireo poeta
Ny teniny no solom-peta
Ampinga hiaro ireo soketa
Dia hatsangany ny lenta
Hampinoina ireo mangeta

Horarana tsy hatory
Ireo radada sy rangory
Fa tarihina hivory
Eo amoron’ny kamory
Dia ho avy ny poeta hitory

Ambara ampahibe-maso
Fa efa ripaka ny ankaso
Sy ilay matin-kena imaso
Ny poeta tsy malaso
Fa mpizara ny tsy hita maso
--------
Rohy:
1144 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332