HETAHETA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao isika hifidy
Hitady lalan- kafa
Idina @ fanalahidy
Ny zavatra tsy zaka

Tsy ho fefikin' ny fahazarana
Fa ho zotra vaovao
No andeha hifanarahana
Ka ho atomboka izao

Tsy hoe hiova toetra
" Ianao" io no tiako
Fa hiova tarigetra
Mba jereo ny "fisiako"

Tsy mora ny miala
@ efa mahazatra
Nefa andao tsy hisalasala
Ny tanjona ho tratra

Afaka misinda Kely
Miova toerana sy lasy
Manao todika sy jery
Hanadio ny pentina sy tasy

Izany no mba hetaheta
Ka avy aminao ny rano
@ zavatra rehetra
Ny tsy zakanao koa sakano

Tsy tratra ny tonga lafatra
Fa ny manatsara no ezahina
Isika tsy hiala sasatra
Fa betsaka no hiarahana

RASOA
FEBROARY 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 17/04/2025 21:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137