Ho avy ny andro (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ny andro hiverenako amin'ny lasa
Efa navalona ho tantara
Hikarohako ireo asa,
Izay nofaranako tsy tsara.

Any ny andro tsy maintsy
Hamerenako ireo trosako tsy nahy
Izay efa nohadinoiny tsy,
satry, nefa efa nanozonany ahy.

Any ny andro hiverenako amin'ny boky,
Izay nakatony an-ditra tamin'ny fanomezan-tsiny.
Noho ireo karazam-panomezan-toky,
Tsy voaefako taminy fahiny...

Any ny andro hanolorako ny tenako
Hampatsiahy azy ny tantara efa lasa.
Sao mbola misy ihany feo manako,
Ao an-tsainy mandrisika azy handatsa.

Any andro izy hangina hakako rariny aminy,
Hitondrako ny azafady sy ny ala-tsiniko.
Dia hifamihana isika, hifanala izay tsy tanty.
Mino aho fa ho avy, mety tsy androany fa rahampitso !

Herizo AR
--------
Rohy:
633 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163