NY HAMAHÀNA IREO FATOTRA (RHHC)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HAMAHÀNA IREO FATOTRA

Ireo heloka tavela izay tsy rava, tsy mba potika,
Dia mangeja ao anaty, ka mila ongotana amin’ny fototra:

Fankahalana, Fialonana; Fiampangana, Famoronana;
Fieboeboana, Fiavonavonana; Famonoana, Fifandonana;
Famasohana, Fifosana; Fandotoana, Fitsarana;
Faminganana, Fangejana; Famitahana, Fandaingana;
Fampatoriana, Fandrendremana; Fampaoriana, Famotehana;
Fanankianana, Fanaratsiana; Fanebahana, Fanambaniana;
Fanjakazakana, Tsifiraharahiana; Fifandirana, Fampijaliana.

Ny fafin’izy ireo no zary haizina mandrakotra,
Ka Ilay TENA FITIAVANA no hamahàna ireo fatotra.

RHHC
--------
Rohy:
227 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142