RY FANKAM-PANAHIKO (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FANKAM-PANAHIKO

Toa misendohatra,midobodoboka
Rehefa tsy omena ny filany
Misy hery mampirisika mba hiroboka
Raha tsy mahazo hafalin'ny tany

Toa te hilomano ao anaty fahafinaretana
Mba hanadinoako ny ankason'ny tany
Ny ato anatiko mihentanentana
Raha sendra lavina ny filany

Ry fankam-panahiko manoloana ny masoko
Manintona ahy ho lavo amin'ny tany
Hanantanteraka ireo akasoko
Raha tsy mahatohitra andresy izany

Toa fahasambarana ihany angamba
Ny hafaliana mikasika ny nofoko
Nefa maha te-hanary lamba
Hanantanteraka ny nofinofiko

Ny toeranao manoloana ahy
Dia zavatra tena tiako tokoa
Nefa raha jerena ara-panahy
Dia manintona ahy mba ho voa

Tsy maintsy jereko mba ahafantarako
Fa ny ato anatiko dia efa mahatohitra
Nefa tsy foiko,ka kasian'ny tanako
Sakana an-dàlana toy ny vohitra

Eny,nesorina tsy ho eo anoloako.misaotra
Ny zava-drehetra tsy voatohitro
Satria nofidiana mba ho fitaratra
Mba tsy ho hita mihambatrambatra

Nefa,avelao ihany raha azo atao
Eny avelao mba hiatrika aho
Sendrao ny afo tena mahamay
Sao dia tsy mendrika ho zanaky ny RAY

DOLLY
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Fiainana - Ahiahy - Ady
2215 1
Mpakafy: rijadolly
Hevitra mandeha
benasy ( 19/12/2008 15:04)
Tiako ny aingam-panahinao. Tsara rahateo ny sary arafitrao...Indro kely fotsiny : Mahereza, ary miezaha mamaky boky teny malagasy... Ho hitanao fa ahavita tsara lavitra noho izao ianao..!
Mahereza.
rijadolly ( 19/12/2008 16:55)
Misaotra Benasy a!Misaotra amin'torohevitra,eo mihitsy ny olana amiko,sady tsy Gasy no tsy vaza fa samy tsy dia hay daholo.Efa niresaka t@ Hery ihany aho,fa ny namana ato hono afaka manampy sao dia anaisany se.:-)
benasy ( 22/12/2008 10:38)
Tsia....!
Tsy ny tsy fetezan'ny zava-mandalo no iheveran'ise fa tsy misy izao rehetra izao...!
Raha ankizy ise, tsy mampaninona loatra ahy, fa ny faneken'ise hijery amin'ny solomason'ise irery rahateo, ka tsy ahitan'ise loko hafa, no tena ifantohako mafy...
Mahereza !
rijadolly ( 22/12/2008 15:17)
Na tsy dia takatro azy ny tian'se lazaina dia fisaorana hatrany ny atalotro ho an'se amin'fampaherezana misaotra :-)
benasy ( 20/04/2009 09:50)
Nankaiza ny olon-tety
No rindrina sisa mijoro.....
...Rakofan'ny vetso sy antsoro !
niryna ( 29/10/2010 15:58)
Benasy kosa e,mba ampio izy fa mila vonjy
Itovizantsika dahy izany io sady tsy gasy no tsy vazaha,hi,hi
Izaho aza mbola pire noho rija
Niezaka ihany aho ary tsy fantatry ny ankizy ny tiako tenenina fa nasesiko teo ihany ny hevitro dia mba misy rirany kely e,kely hoy aho
Misaotra nizara ary aza kivy fa fantatry ny olona foana izay tianao resahina ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 13/12/2008 06:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152