HOY IANAO... (Ryana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOY IANAO…

“Hanoratra aho”, hoy ianao,
“Angamba rahampitso, raha misy ny fotoana...
Fa be ny tian-kambara, efa ela no tsy nihaona…”
Dia nino aho, nanantena ary mbola miandry hatrany,
Saingy ity ampitsonao toa tsy mba mety lany!

“Hiantso aho”, hoy ianao,
“Amin’ny faran’ny herinandro, hanontany vaovao,
Hoe nanao ahoana ny fo sy fiainanao …”
Dia dodona aho, niandrandra, zara raha matory
Saingy na ako iray aza tsy mba reko akory!

“Ho avy aho”, hoy ianao,
“Hanokana fotoana rehefa milamindamina…
Ka ny ora izay hihaonana tsy atao hoe indramina…”
Nivadika ny andro, nifandimby koa ny taona,
Saingy izaho sy ny alokao tsy nety mbola tafahaona…

Ryana
(27/06/12)
--------
Rohy:
3326 0
Hevitra mandeha
zazah15 ( 20/06/2014 11:51)
eny, manoratra ho anao aho
manoratra tononkalo
fa tazoniko ato an-trano
tsy alefako aminao
andrao fantatrao
ny alaheloko isanandro
dia hisento ianao.

eny,miantso anao aho
anaty foko ato
isaky ny mahatsiaro

eny, tonga any aho
mamangy anao misasakalina
saingy ianao efa matory
dia tsy renao akory
ny tanako manafosafo
ny vatanao rehetra...

aoka ianao hatsiahy
f'anilanao foana
ny foko sy fanahy.


Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145