ISAO TOERANA AHO (nadika avy tamin'ny "Fais-moi une place") (Ryana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAO TOERANA AHO

Isao toerana aho
Anaty nofinao
Raha sendra aho mahasorena
Na koa manafintohina
Himpirina aho, hifitsaka
Hangina aho, tsy hibitaka
Mba hohadinonao

Isao toerana aho
Anaty fonao ao
Hanoroka anao mamy
Raha sendra ianao tomany
Hisary adala aminao
Hataoko izao rehetra izao
Mba ho eo ny tsikinao

Satriko ianao tsy harary,
Tsy hahalala hirifiry
Tsy ahoako ny voaary
Ianao no hany voatahiry
Tiako ianao

Isao toerana aho
Ao amin'ny hoavinao
Mba tsy hikororohako
Ny lasa sy ireo fahatsiarovako
Tsy hiavona aho na hianjona
Ny ahy ny fenitra sy tanjona
Dia ny fahasambaranao

Isao toerana aho
Anaty fahamehanao
Anaty fahasahiana,
Sy fahatokisanao,
Tsy vitako ny ho marimaritra
Hatsarana ts'hita faritra
No kajiako ho anao hatrany

Satriko ianao tsy halaina
Tsy hatahotra na hamelovelo
Hanadino ireo taraina,
Sy ny ngidin'ny alahelo
Tiako ianao

Sombin-toerana kely
Ho ahy eto anio
Satria ny fotoana
Mihelina toy ny tadio
Ny amiko hatsaraiko fatratra
Hiezaka aho ny hotonga lafatra
Mba homendrika anao

Ryana
(17/12/2012)
Nadika avy tamin'ny
"Fais-moi une place" – Françoise Hardy
--------
Rohy:
3059 1
Mpakafy: Ryana-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ryana
Nampiditra : Ryana-1
Daty : 04/10/2013 10:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179