RAHA HO AVY (Ryana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO AVY

Raha any aoriana any, ho avy ny andro iray
Hilazànao amiko;
Fa tsara ajanona eo ny tànantsika tsy hifandray,
Ho alainao ilay fitia nindramiko;
Aza manahy ny amin’io, izaho tsy hanangana ady
Tsy hifikitra na hitambesatra,
Satria dieny ankehitrio dia efa tsinjoko sahady
Fa hisy farany ity resaka…

Raha ho avy ny fotoana tsy ho tianao intsony
Na dia ny mandre ny anarako,
Fa satrinao ho foana, hivalona, atelin’ny ony
Ny anaranao ao amin’ny tantarako;
Aza asiana ahiahy fa amin’izay fotoana izay
Sy amin’ny ho avinao rehetra
Izay mombamomba ahy, sy ireo niarahana hatrizay,
Ho foana, rava, tsy hisy hitoetra

Raha hisampana hatreo ary tsy hihaona intsony ireo làlantsika,
Fa izay no lahatra sy didy;
Raha voatery avela eo ny tsiaro nikambanantsika,
Tsy nahim-po no tsy safidy;
Tiako hofantatrao sahady fa efa feno ny hasambarako
Satria aho nahalala anao;
Ampy mahasambatra ahy, vatsy amin’ny ambin-dàlako
Ny hoe notiavinao

Rehefa higadona ny ora handaozako ity tany,
Tapitra ny fe-potoana;
Ny masoko hikimpy mora, tsy hamiza-tena aho haminany
Hoe satria na hoe nahoana;
Fa raha marina fa hoe ireo voaantso, lasana any
Afa-miahy ny ety;
Dia ho vaindohan-draharahako, rehefa tody soa any
Ny hasambaranao iky!

Ryana
(12/01/09)
--------
Rohy:
3282 2
Hevitra mandeha
Sohitika ( 15/01/2009 13:58)
tahaka ny maso(varavaran-kelin'ny fanahy)hono ny tononkalo soratana, malefaka kely ny anao(ny fanahy) hita taratra no tiako ho lazaina.Tsara!
tiff ( 14/03/2009 14:12)
oaye!mahontsa le tantara sady hainao ny namoka azy tsara t@tononkalo
Ryana ( 01/04/2009 16:25)
Misaotra anareo nitsidika!
tiarah ( 03/09/2010 08:51)
Tena lafatra loatra ny aingampanahy ,,,kanto marina e
kiriah ( 04/09/2010 21:58)
Betsaka tokoa ny tonokalo voavakiko tato amin ny SERASERA saingy ity dia isan ireo tena tiako indrindra satria toy ny FITARATRA mamerina amiko ny endriky ny lasa izay nitiavako.
" ...AMPY MAHASAMBATRA AHY, VATSY AMIN NY AMBIN-DALAKO,
NY HOE NOTIAVINAO ...". Misaotra betsaka !
3004 ( 05/01/2013 17:22)
Misaotra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108