F I T A K A ny T O K Y (SOLIMAH)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitaka ny tokyraha vao tsy arahina asa.
Rotika ny boky,
Raha sendra ka voasasa.
Rendrika ny sambo
raha dobo anaty rano,
Ka tsy idinginan-drambo
ny fiainan-tokantrano
fa mila fandeferana,
Ilàna fiheverena,
Mitaky fo maharitra
sy teny mahafinaritra.
Tsy maintsy mila sira
sy angotingoty an-kira,
Karazana leviora
hitazona ny tsirony.
Tsy mila be filirony
amin'ny ady sarim-pingotra!
Fitiavana mafana
no tokony asaringotra
hiraisan'ny fitia
sy fon'ny olon-droa.
....S O L I M A H.....
®251019©
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
