SIDA (Teboka Telo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Areti-mandoza noho ireo Cancer
Ny VIH sy SIDA...
Manao tanam-poza sy maka sy miera
Na vavy na lahy ;
Kanefa azo ambara fa azo sorohana
Tsotra amy zao ;
Tsy ilam-panafody na tambavy ho bobohana
Sy otra fanao.

Tsy mba sandaina harena sy vola
Ireo vaksiny,
F’ilay vady tokana iaraha-midola
Dia tsy hisy ny tsiny :
Tohero tsy hisy ny fakam-panahy,
F’ireny, mandalo ;
Ankino amin’ny Tompo fa Izy no miahy
Amin’ireo fahavalo.

Aza mitady izay fomba hisarahana
Ireo manam-bady,
F’ireo izay tsy manana kosa tsy hanjahana
K’hanao zava-pady
Ireo faniriana, fisainana ratsy,...
Hibaiko ny fo…
Dia ho voaangona eto ny vatsin’
Ny fiainan-ko to.

Ka hataoko ahoana ny fomba fijery
Ny loza hanjo
An’ity fireneko, kekerin’ny ferin’
Ny saina sy fo ;
Rarafan’ny rofin’ny ratran’ny nofo,
Mikiky tsy miala
Ka hahakizofara ireto solofo
Sy dimbin’ny ala?

Ny zava-drehetra dia azoko atao !
Fa iza no soa ?
Izay andevozin’ny zava-panao
Dia aviavy tsy hamoa…
Ny tena natokana ho an’ny Tompo Nahary,
ny Tompo ho an’ny tena
Izay tokam-po kosa tsy mba harary
Ka handray fandresena.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1232 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Teboka Telo
Nampiditra : kalonantitra
Daty : 04/08/2014 06:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139