VALIN-TALAHO!!! (Teboka Telo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TALAHO ?.
Moa tsy azonao dinganina,
Ry Andriamanitra mahery,
‘ty fahoriana mahafanina …
toa zary hira sy tsianjery.
.
Aiza ve ka tsy mitsahatra,
mila ho isan’andro mihitsy ;
Sa ny anjara sy ny lahatra
efa mitsambikina mikimpy ?
.
Fa nahoana kosa ho’aho
no dia toa mahitsy toraka ?
Mivavaka e, ary mitalaho !
Ombay misy ny fangoraka.
.
Angaha tsy misy toeran-kafa
sao ny antso no tsy reko ;
Mba ovaina ka tsy hijafa !
Dia foanana : aoka hatreto.
.
Ray o ! ifonako raha diso
izany antso tiana haserana ;
Mankaleo ve ny hata-piso …
sa re hambo lavi- toerana ?
.
Rabe Jiber ( 03.07.1989 )
Setriny: VALIN-TALAHO!!!
Anaka!
Italahoanao Amiko
Ny handingana ny fahoriana
Eto an-tanim-pandalovana...
Saingy, tiako ary mamiko
Raha anananao ny faniriana
Hanary toetram-pahalovana!!!
Aza heverinao akory, hoe
Ny lahatra, azo idifiana;
Ny anjara, azo ovaina dika:
F’ireo zava-mampahory,
Sy ny hazo fijaliana
Dia avy amin'ny asan-tanantsika:
Fa, potikao ny zavaboary,
Novainao ny mpiara-monina,
Ny vavaka, aza, toa tsy atao!!!
Dia Izaho, Tompo, Ilay Nahary
Indray no lasa toa ngononina
Sy ahitsian'ny torakao?
Eny!
Ekeko ny fifonanao!
Niaiky dison-disadisa
Sy tora-pon'ny olon'ory;
Fa manomboka izao:
Mandehana, ary amin'ny sisa
Aza manotanota intsony!!!
Teboka Telo (21 Jan 2017) 22h30
--------
Rohy:
Sokajy :
sitraka sy setriny - Vavaka