TSY VITAKO NY HANORATRA (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VITAKO NY HANORATRA...

Vao mangiran-dratsy aho no efa nipenimpenina
Nitady taratasy, nitady anao ry penina!
Fa tsy nahita akory na nisy aza ankamoaka
Tojo sorisory ka rifatra nivoaka
Nitety ireo mpivarotra aho mba hialàko nenina
Indrisy fa na tao koa aza ts'isy taratasy
Ka dia tsy naka sarotra aho, tsy nimenomenona
Nanohy ireo fanaoko dia ny kanto malagasy
Kanto...
Kanjo...
Toa nilikiliky ihany aho nikasa ny hanoratra
Fa tsy hain'ny saiko akory 'zay ambaran'ity foko
Ny fery tato anatiko aza mbola tsy nanolatra
Dia ny fahavoazako avy no nataony ho sitrapoko
Dia tohina tokoa ka nandrovitra ny vita
Nandoro an'eritreritra ilay sarin-taratasy
Nionona ny fo na dia rano mangatsiaka
No nampiononan-tena tamin'ny alahelo mafy

Malala a, tsy vitako ny hanoratra...

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
1208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 24/07/2014 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133