Ampidiro aloha ny tenimiafina
AN’IZA ARY AHO (todisoa ndremiranga)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An’i Dada ve? Ilay nanabe sy nanolokolo
Ny fiainako rehetra, ny hoaviko manontolo
Kanefa tsy mba mahalala ny hetsim-poko akory
Na hafaliana, na alahelo, tebiteby, sorisory.
An’iza ary aho?
An’i Neny ve?
Ilay nitondra ahy an-kibo tamin’ny sivy volana
Ireo fahoriany maro sesehena, tsy mba nasiany olana
Kanefa tsy mba te-hanaiky akory izato faniriako
Ireo fahalalana aman-kevitro, izay hany antom-pisiako
An’iza ary aho?
An’ny Fiaraha-monina?,
Nahavita ilay adidy,eny, namolavola ahy
Ho tonga olom-banona, tena lehilahy
Kanefa tsy mahatsapa akory, izaho anie ka misy
Ka tsy mihevitra ahy, izany no anjara… indrisy!
An’iza ary aho?
An’ilay Tompo sy Andriamanitra?
Nahary ilay tany aman-danitra?
Sa an’ Izao Tontolo Izao
Sady Manadino ahy no be raha atao?
An’iza ary aho?
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
