HITOHY MANDRAKIZAY (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HITOHY MANDRAKIZAY
.
Malala a,
Miodina ny taona
Fa mbola ianao foana
No voasoratro ho tantara.
Na dia misy ny adiady
dia tsaroako ireo voady teo ambony alitara !
Tsy ho voafafan’ny fotoana
‘lay isika miara-noana,
‘lay isika miara-ory,
Samy tsy mahita tory mitady izay hahavoky,
Ary ireny rehetra ireny no zary lasa toky
nanamafy ilay fitia.
Ho tiako foana ianao,mandrakizay doria !
‘zay manan-kiana ambadika any ,avelao ho tata-bava,
fa ny antsika na ankoraina dia hijoro lalandava
sy hametra-tsangambato tsy ravan’oram-baratra,
Hita eo izay ho fitaratra e !
Fa na mbola fanimpiriny no hisy sakantsakana
Hamingana indray
Dia ity no hany ambarako :ny fitiavako anao dia manao toivakana
HITOHY MANDRAKIZAY
.
Tsanta MIKANTO
--------
Rohy:
1788 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098