FO TIA (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombinkazo nambolena amin'ny tany karakaina
Hafanana sesehena, foana, ngazana sy maina
Nefa, mahagaga hoy aho ! Jereo, mikiry ny hamoha
'lay sombinkazo tsy aman-taho, mikasa ny ahavanom-boa

Sombinkazo kely tsotra, tsy mba irony lafo vidy
mila zezika hanotra sy fitoeran-tsarobidy
Jereo fa tany efitra ! Io no tiany haniriana
Tsy mba lafatra sy tretrika fa tarafim-piafiana

Sombikazo anankiray, maniry an-tany ngazana
Mandoro sy mahamay ny masoandro izay mitsangana
Ary ny aliny mazàna, mitondra hatsika koa mamely
Tsy mbola miova ny fitàn'ilay sombinkazo kely

Sombinkazo an-tany maina ny Fitiavanao ry Tompo !
Tany foana, karakaina no mba endrik'ito foko
Nefa dia tia ahy Ianao, tia ahy mandrakizay
Tsy miova anatiko ao, ny fitiavanao ry Ray !
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
2957 0
Hevitra mandeha
aikon ( 05/03/2006 06:49)
tsara ny eritreritra fa tohizi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 28/02/2006 08:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138