Ry lisy kely (Tsiky dia ampy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry lisy kely tsara bikaManiry an-tany songosongo
Mbetika toa mibaliaka
Mbetika toa bongobongo
Moa ve mba fantatrao
Fa ianao no voninkazo
Tsara indrindra mba naniry
Lalim-paka sy fitia
Antenainy ho doria?
Ianao no nomeny
Tsiron-tany mamy indrindra
Notehiriziny hatrizay
Ianao no nekeny
Tsy navelany hifindra
Ka na andro mahamay
Na ririnina mangoly
Dia ianao no hany voly
Izay navelany handrobona
Ka hamelana finaritra
Notazominy haharitra
Ianao, ianao, ianao irery
No navelany hiantehitra
Hirehareha fa manan-kery
Tsy natahorany mpijery.
Ka ny horakora-poan'
Ireo vorona manidina
Izay nifaoka hatrizay...
Na ny esoesontenin'
Ireo tany manodidina
Izay naniry mba handray
Dia navelany nangaina.
Fa ianao no nohatsarainy.
Ry lisy kely tsara bika
Aminao no misariaka
Ilay tsiky tsy ankiteny.
Tsiky hany mba hareny.
Ianareo no tena iray
Fa ianao hatsaràny
Izy fivelomanao.
Ianao aron-tany
Izy fifikiranao.
Ry lisy kely tsara bika
Raha sendra onjan-driaka
Na koa haizina mitraho
Dia meteza ny hitroatra
Hamafiso izany taho
Ry lisy kely tsara bika
Aza avela hangatsiaka
Fa alatsaho lalindalina
Ny fakanao mba hamikitra
Mahandrasa miareta
Fa na misy aza ny alina
Ka tsy ho ela dia ho avy
Ilay maraina andrandraina.
Dia ianao no voninkazo
Izay hamiratra indrindra.
Ary izy ho zaridaina
Ho anao, tsara rindra.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fampaherezana
Hevitra mandeha
hery
(
26/10/2004 09:35)
Hmmm, lisy ravaky ny alina sy famiratry ny andro
bichette
(
26/10/2004 10:51)
aoka re ry Hery a ! tsara e !
NyKanto
(
26/10/2004 12:55)
Midera ny fitiavana amin\'ny fahatsarany rehetra ilay tononkalo.
Ny Kanto
Ny Kanto
hery
(
26/10/2004 13:14)
hmmm dia tsy omena isa hono 😊
bichette
(
26/10/2004 13:22)
tena miakatra mihintsy anie ny aingam-panahinao izany ry hery e ! lalina be
bogosssy
(
26/10/2004 15:45)
trop lava,saika bien hany alohaeee!
lanto
(
30/10/2004 08:46)
lalina be ! hmmmm tsara tondraka izany aingam-panahy ao izany an ! Manja e !
hery
(
01/11/2004 14:45)
Tondraka angaha? lolll... fa misaotra anareo.
Fanazavana teny : Ny atao hoe tany songo dia ilay tany tsy tratran'ny angadin'omby rehefa miasa. dia misy faritra kely tavela izay atao tanana... indraindray anefa ireny tany songo ireny aniriana vonikazo... lisy kely tsara bika.
Ny lisy dia vonikazo malefadefaka ihany (hmmm) tsy dia miseho loatra kanefa anisan'ny tsara indrindra... miakanjo tsara indrindra noho i Salomona hozy ny baiboly izay.
Fanazavana teny : Ny atao hoe tany songo dia ilay tany tsy tratran'ny angadin'omby rehefa miasa. dia misy faritra kely tavela izay atao tanana... indraindray anefa ireny tany songo ireny aniriana vonikazo... lisy kely tsara bika.
Ny lisy dia vonikazo malefadefaka ihany (hmmm) tsy dia miseho loatra kanefa anisan'ny tsara indrindra... miakanjo tsara indrindra noho i Salomona hozy ny baiboly izay.
bichette
(
03/11/2004 15:44)
amin'ny teny frantsay inona ilay lisy ? fleur de lys ve ? misaotra ny amin'ny fanazavana
IARIVO
(
05/11/2004 18:27)
tiako be mihintsy ilay tonokalo,ny hitiavako azy?..Ny anarako dia LISY.
didou
(
09/11/2004 20:41)
Tafita ny hafatra ary ankafiziko tokoa ny asa-soratrao. Ny.
ANARIM
(
07/06/2006 09:12)
saika tsy tapitra izy tao zany! izao vao itako!
hery
(
15/07/2009 07:27)
Mbola tsara bika foana ilay lisy an 😜
benasy
(
15/07/2009 10:09)
Tsara kely erÿ ity lisikelin'isé. Mankasitraka !
mangidy
(
15/07/2009 23:36)
Tsy hita moa vao nahita
Toy hanitrin'ny lisy
De tsy naharitra fa niampita
Naika itango nefa indrisy
Ilay Lisy tsara bika
Tsy mety atao anaty vazy
Fa ranon'orana iray barika
Vao mety ahatondraka azy
Eny hoy aho ry voninkazo
Ianao io anie ka mety alazo?
Koa meteza re ho alaiko
Ho tolorako ilay sombin'ny aiko
Amizay izaho sy ianao,
Hiaraka itantara angano
Ka ny fofona manitrao
Ho anenika'ilay tokatrano.
Toy hanitrin'ny lisy
De tsy naharitra fa niampita
Naika itango nefa indrisy
Ilay Lisy tsara bika
Tsy mety atao anaty vazy
Fa ranon'orana iray barika
Vao mety ahatondraka azy
Eny hoy aho ry voninkazo
Ianao io anie ka mety alazo?
Koa meteza re ho alaiko
Ho tolorako ilay sombin'ny aiko
Amizay izaho sy ianao,
Hiaraka itantara angano
Ka ny fofona manitrao
Ho anenika'ilay tokatrano.
kiriah
(
10/10/2012 03:08)
LISY kely mahalasa eritreritra , maniry an-tany songosongo ...
