Patrak’orana (Zo-Maminirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Patrak’orana

Mitsidika manarangarana
ny eto am-baravarana
ny patrak'oran-jofo
ka nibitaka ny foko
te hihenjika
hanenjika
ny alokao rarafany
manainganainga moron'
ny patalo tsy ho petsa
fa ny olona rehetra
mijokojoko mora
manaranara-moron'ny
lalambe fodiana
hamonjy akany tiana!

Oay!
Ratsiratsy toetra koa ilay mpamily!
Izay ianao dia kotsa!
Hotsaka tanteraka!
Hetsaka haninteraka
lingilingin-tsiaro
izay tsy taka-maso
fa takatra fanahy minofy
tonga nofo!
Ny nofo koa ka mofo
sy hani-mahavoky
raha tsaratsara toky!

Ratsiratsy toetra hoy aho ilay mpamily!
Boto tsy manjary
ilay aza vanona iny!...

Zo-Maminirina
07.02.2011
(Antanimena 2 ora 40’ tolakandro)
--------
Rohy:
1049 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098