Efa ety an-dalana (TSY RENDRIKA Spica)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto VASAKAOSY aho amin’izao fotoana izao
Efa anaty fiara fa handeha hamangy anao
Mbola miandriandry fa ny fiara moa tsy feno
Mampahatsiahy ny lasantsika ny hirahira heno

Ao anatin’ny valiziko ao ny akanjoko herin’andro
Efa nivatsy mofo koa aho ho sakafo atoandro
Mampanaonao foana mihitsy anie akia ilay fitiavana e
Efa ho avy aho akia, efa eto amin’ny NY HAVANA

Tsy mbola tena haiko aloha izay mety ho hatairanao
Fa efa nolazaiko kosa hoe mbola hiala nenina aho e
Ho avy mba hifona sy hamitrana fihavanana
Efa ety an-dalana aho, efa eto amin’ny SAMPANANA

Marariray fo akia ny aty dia mihamahia a
TSy mbola te hahita peratra amin’ny tananao havia
Mampahatsiaro antsika daholo aty izay jerena
Sorena kely fa misy fitohanana eto ANDRANOMENA

Soa ihany aho tonga saina herinandro mialoha
F ahisoratra amin’ny sabotsy hoe ianareo roa ?
Tsy maintsy tonga anya ho hifanatrika aminao
Tsy lavitra intsony aho fa efa eto AMBOHIBAO

Tsy ho tonga hila ady fa ho avy moramora
Afaka hajanona io raha mbola tsy tongan y ora
Tsy mampaninona ahy ny hijoro eo anoloany
Efa miha akaiky aho, eto IMERINAFOVOANY

Eny e, ekeko koa hoe mety hifidy azy ianao
Fa mila atao mazava hoe moa ilay fitiavanao
Mbola toratorana sa efa tena maty
Efa mandroso hatrany izahay, efa TALATAMATY

Mbola tsy miova na ny tanako malefaka na ny molotro manify
Ka ho avy aho hanontany hoe ilay tsirony nolazainao hoe « hafa mihitsy »
Mbola tsaroanao ve sa efa tena hadino
Izahay izao miakatra eto AMBOHIDRATRIMO

Fa io na te ianao na tsia, isika tsy maintsy mihaona
Satria raha misy ambina fitia tsy ravan’ny fotoana
Ka makà aina tsara, misotroa rano aloha malala a
Efa akaiky kely aho, eto Anosiala

Nijanona ny fiara fa tojo fitodiana…
Ity tsena ity koa nama tsy mety mba mangina ka !
Hisotro kafe kely aloha fanampin’ny ody risika
F aianao na tsy hanaiky eo aza, izaho tsy maintsy hisisika e

Tsara ilay kafe an, izaho koa nahazo aina
Mafanafana tsara amin’ilay mahatonga saina
Hmh… Hay moa tsy mety marina ny hitarika anao handeha hijangajanga…
Efa eto any aho fa aleo hitady fiara dia handeha hiala sasatra ho any MAHAJANGA

14 septembre 2021
Tsy rendrika Spica
--------
Lien:
284 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123