INDRAINDRAY (TSY RENDRIKA Spica)

Nantsain'i antsahoneywinner
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray ianao tiavina dia miavonavona eny
Indraindray ianao mitia fa tsy mahasahy miteny
Indraindray ianao tiana sy hajaina dia manitsaka
Indraindray ianao mifitsaka
Na olo-mampijaly
Dia indraindray ianao marary

Indraindray mba tafalatsaka amin'olona tsy anjara
Indraindray mba lany andro amin'ny resaka tsy hanjary
Indraindray taratara eo ampijerena sary
Indraindray te hanaraka olona mandalo
Indraindray ianao voababon'ny antsan-tononkalo


Indraindray mba tena tia fa matahotra tsy ho tiana
Indraindray tiana ihany fa tsy ilay nofidiana
Indraindray mba mihendanja ny fitiavana ao anaty
Dia indraindray te hitia mandrapahafaty….
Tsy rendrika Spica 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
78 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 07/10/2024 12:18
Antsantononkalo
Nantsain'i antsahoneywinner
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141