mbola lavitra ny lalana (vo.sedra )
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho ela izany dia,Ka mahereza,mahatanjaha
Mba mahaiza mankafy
Fa aza dia manenjika ahy
Atanjao tsara ny saina
Mba hiatrika ny hoavy
Dia ianaro koa ny miaina
Fa azA atao vazivazy
Ny teniratsy ajanony
Ny ompa koa mba ialao
Fa irony ;
No manao toa izao
Ndeha raiso ny ampinga
Dia tafio ny herim-po
Mba ts hoavy amingavinga
Ny ampitsonao fa ho soa
Fa izaho tsy hoe adala
Na koa hoe mialangalana
Moa ianao tsy mahalala?
MBOLA LAVITRA NY LALANA
Vo.sedra 12/03/2015 22:00
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana