AKAIKY ILAY FOTOANA (yarihm)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny! akaiky ilay fotoana
hahateraha-mandrakizay
ka ho vata-mandangoana
no hisaraka amim-panahy

hohadinoina ireo tsiaro
ireo fahiny nolalovana
fa an-dohalika ny rano
hampitony fahatsiarovana

mbola ho velona aho anefa
any ambadika tsy hita
mbola ho velona hanefa
irony adidiko tsy vita

fa maharitra ilay hery
izay niantsoroka ny aiko
ka hanoro sy hijery
irony lalana hantenaiko

fa tsy maty sanatria
ilay fanahiko anoloana
fa haharitra doria
any ankoatra izay inoana

hikarenjy an'habaka iny
dia hivenjy fa tsy tana
ka hiaro ilay fahiny
dia ilay vatako manara

rehefa tonga ilay minitra
hananganana ny maty
dia hitresaka, hitriatra
irony fasana hoboka aty

dia hiravo indray ny nofo
hanalavitra ireo jaly
dia ilay vatako efa niofo
mbola taolana izy omaly

ho firavoana no hanjaka
sy hameno anao tontolo
fa ny tsiky hiorim-paka
ireo sorisoriko hisolo
YARIHM
11/2008
--------
Rohy:
1317 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 10/08/2012 12:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096