ANJARAKO (yarihm)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inoko e no sisa hijanonako eto an-tany
toa tsy Ray, tsy Reny, tsy mba naman-kianteherana
fa ny ranomaso foana no manerika milany
sady ity ny fahantrako toa tsy hanam-pahataperana

satria mantsy itony fiainako eto itony
fandri-tsilo, hala lava feno ngidy
ka ny sento mifanesy, ny ranomaso tsy hitony
e! izany angamba lahy no anjara efa voadidy

toa erika, kotro-dava, tafiotra, haizim-be
ireto namana mitsena eto antenantenan-dalako
izay mivimbim-pahoriana, sy mitondra hanome
sorisory misafoto, sento mainty mivangongo, eny! ANJARAKO

toa, sarisarim-bahona avy izay jereko manoloana
zary hona mahafaty izay lalovako rehetra
รด ry foko! efa anjara angaha ny saona a!
ka mionona! mionona re ry foko f'efa ho tapitra ny fetra

ireny fahoriako ireny no efa marika mitranga
fa mandalo ihany, itony nofo be taraina
ka, ny paradisa tamy, efa iry manangasanga
sasa-miandry manantena izato nofoko ho maina
YARIHM
02/2009
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1318 1
Mpakafy: felitchita
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarihm
Nampiditra : ambinimiary
Daty : 10/08/2012 12:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138