"DIPAINA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny laoka tena tiany no nataon'i neny nahandro hoan'i dadafa fetiny hono androany,
Nibitaka aok'izany ny zandriko ankiroa fa hoe hamono akoho
hiaraka amin'i dada,nihira sy nirada!
Nivoaka aho dia nijery,nilalao jorery niandry ny hiravan'i dada avy niasa,
Dila ihany ny ora,nody ny masoandro ka lasa aho aloha nisasa;
fa tsy mbola tonga i dada.
Fa aiza ihany i dada? hoy aho nanontany fa nipaika ny amin'ny fito?
Nijery kely i neny.
tsy izany mantsy hoy aho fa saika asehoko azy ito sariko ito,
fa io no hatolotro azy.
Lazain'i neny aho angamba fa hoe mivazivazy,fa tsy novaliany.
rehefa nodinihako,
hay koa ny eritreriny ka tsy tafatombina fa any amin'ilay tiany.
nipaika ny amin'ny valo,tsy mbola tonga i dada,ny vary nangatsiaka,
i neny etsy andaniny tsy nitelin-kanina,ny maso tsy nipika,
nony kelikely,nisy nandondona tao ambaravam-ben'ny tranonay,
Hay ka dadatoa no tonga mba hilaza fa...Maty dadanay !!!
0020019 Zavona Rakoto 070025003
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 03/07/2025 14:24
