"LOZA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aina mankadiry no laninao niasana,
Lany nanonerana hetram-panjakana (...)
Fa mamy noho ny mamy ilay hoe manoa lalàna...
indrisy ry karama!
tsy nisy fisondrotana fa maika aza nakàna.

Dia io fa nikafiry ora folo mihoatra,
Fa mamy noho ny mamy ilay voky ambony foitra,
Tsy afaka mitroatra,
Anaty ambony apanga no mba manararaotra,
hafahafa loatra.

Satry tena satry hiadana finaritra,
Hiaina filaminana sy vokatra maharitra,
Indrisy re ry lanitra!
Izay ho anjaranay aza misy sahy mamaritra.
"Loza ry Andriamanitra"

1250020 Zavona Rakoto 0025
--------
Lien:
379 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112