"MBOLA HO HAIKO VE" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho haiko ve ny mitia anao!?
Dia fo miedrik'inona indray ny hoforoniko?
Moa hanaiky ve ny ao anatiko ao?
Dia teny mamy inona indray koa no tononiko?

Moa ekeko ve raha hikambananay,
Ny vazivazy tokana nataonao hisangiana?
Saingy izao toa reko,mirehitra mahamay,
Ny fo mamentsoventsoko toa hala anao mangina.

Fa mbola ho haiko ve ny mankahala anao?
Hampitoetra indray ny fo miendri-batoko?
Fa mantsy nohidiko,eny hatrizao
Dia lasa nisy lolo ilay hefitra nakatoko
Tsy hidiranao! ka MBOLA HO HAIKO VE?

Zavona Rakoto 10 jolay 2026 tamin'ny 9:27 ora maraina
--------
Rohy:
46 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116