"MIHODIN-DRENY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba folo taona na dimampolo akory
fa fitopolo mihoatra saingy mbola eto ihany,
Antitra ilay tany!

Ny andron'i NAMPOINA raha hotsaroana etoana!
dia tamin'izany isika no An-dala-pandrosoana,
Nikatso sa nidona?

Maro no efa teto,maro no efa reko! fa raha fambotrina kosa tsy tokony ekeko,
Trosa lava izao ve no Tolotra babeko? tsia ry fireneko.
tsy maintsy io horeseko.

Kanefa aho hitomany,indrisy lahy ry tany!
Ny Gasinao hitolona tsy mahalala izany,
Tsy hainy izay vahaolana hoan'ny fireneny,
I Madagasikara anie ka mbola mihodin-dreny!!!
Sahia zalahy miteny a!!!

Zavona Rakoto 01 aprily 25
--------
Rohy:
Sokajy : Tolona - Tanindrazana - Alahelo
263 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 01/04/2025 06:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123