''TSY HO POETA INTSONY AHO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity angamba iky no fara diam-peniko,Angamba ity no hafatra no sady fara-teniko.
Mamy no niarahana, tsara izay navoaka.
Fa ampy izay angamba;aoka tena Aoka!
Ry kantoko nitoetra Fa afa-po ny ahiko.
Mamo ny fanahiko,eny! tsy hanindroa,
Aleo aho mba ho afaka,avelao hifoha.
Tapa-kevitra aho fa hiova tarigetra.
Ka tsy an-kalo intsony aho no hilaza hetaheta.
Hisaraka eto isika!
Aza ianao manahy fa tsy hisy hipika,
Ny ventso sy ny hanina,ny antsa sy ny ditra.
Hizotra lalan-kafa ilay sakaizanao
Ka tsofy rano iky,avelao handao.
F'angamba ampy izay!
Ny aingan'ny fanahy nomenao mba hindramiko,
Ny kanto nosalorako hilaza 'zay mba mamiko.
Apetrako etoana,tsy ho ampiasaiko intsony,
Ampy izay angamba fa aleo aho hitony.
Farany dia farany,irony zava-bitako!
Aza aranty intsony fa efa mba navitrako,
Aza ampidirina anatin'ny tantarako,
'lay Zavona Rakoto koa soloy ny tena anarako.
Veloma ka masina!
Antsirabe,
Talata 02 desambra 2025 Tolotra Misantatra (Zavona Rakoto)
--------
Rohy:
Mpakafy:
Djess - ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
Djess
(
03/12/2025 11:26)
oay kosa e...enga anie ka hoe mody atao an'izany
joharyfenosoa
(
04/12/2025 17:10)
aza faranana sahady fa mbola betsaka ireo olona miandrandra ny asa soratrao,
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 02/12/2025 13:54
