FO MIARA-MIOFO (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ho fo miara-miofo
Ho fitiavana mafonja
Hoetitsika indray milofo
Dia haharitra manonja

Hatrany an-dranomasina any
Hatreny an-danitra eny
Dia ho feno sesilany
Ny fitiavatsika ireny

Izay fitia feno hanja
Mivolom-bolo volamena
madihy,mifaly havanja
ao am-po raha jerena

ka hiofo ilay fitia
Hiofo tsara,mendrika
Mandramaty ho doria
ho vono-kiray tsy ho rendrika.

10 sept 2016
Tononkalo mam-panembona ireo tsiahy izay mbola ho avy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
552 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117