MITIA MANGINA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho gina tsisy hahafantatra,
ilay foko tianao fatratra.
N'iza n'iza tsy hisy hahalala,
fa ny foko anie ka tianao malala.

Tsy ambarako an'iza izany!eny na ianao,
fa izaho ange ka tena tianao!
Anefa aleoko izaho irery ihany,
no hiafy sy hahafantatra izany.

Eny na ianao hapiaraka amiko,
dia ny alokao no mba tantanako,
na ny fipitran'ny masonao mijery,
nalaiko sary ka nataoko ho ahy irery.

Ny endrikao,ny bikanao feno tosy,
ahy izy ireny ao anaty nofy,
ary tsy mba ikambanako amin'ny hafa,
fa voatokana ho ahy,tahiry tsy voafafa.

ka hitia anao aho na tsy ho tiana!
fa ny fahasambarako ny mitia anao mangina.
Ka aleoko mitia tahak'izao,
matahotra mantsy izaho fa ndrao ho lavinao,
ilay bitsiky ny foko hoe:"tiako ianao".

07/12/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3052 2
Mpakafy: Haphy - nagaoka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162