VOALY FOTSY (Zay LAFATRA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voaly fotsy izay haingony tenanany,
Voatana akarihary izaho milaza na tsy erany!
Mbola hitako eny foana ilay voaly fotsinao,
Na soratra aza ity dia mieteza ho fiainanao.

Fa io anie ka voaly,tsisy tsiny,tsy azo alaina,
Na hikiry biby ianao na hifofotra amanaina.
Satria mbola tsy fotoanany ny handiavanao ny taniny,
Ka rarin'izy raha hiaro ilay voaly tena maminy.

Voaly ange io e!aoka hazava tsara!
Tsy hisokatra io raha tsy ambony alitara.
Izaho aza tsy nitsahatra nikalo ilay hirahirany!
Hirahirako sy embona manja fa tsy sitrany.

Indray andro aza dia nifampindrana ny alina,
Mba hifanojoan'ny ambiroa ao anaty nofy lalina.
Teny an-tsefandrahona eny no niantefan'ilay vinany,
Fa na sambo be pitia aza ianao dia mahery fo hatrany hatrany.

Nanoratra aza aho ka narindrako ny teniko.
Tsy vazivazy anefa izany!eny tsisy neniko.
Fa ny tiana hambara ary koa mahafaly,
Dia ny fahendrenao nitazona ny voaly.
--------
Rohy:
1522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 01/10/2018 18:27
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01