Hampiditra sary Nampiditra : Nyaritra
Daty : 17/04/2008 12:42
Nijery : 1323
Tononkalo: 7 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Nyaritra

tiako raha...

ho tiako ianao
raha toa ka afaka hanarina ireo lasa feno jaly
tiako raha mandre
ity antsoko efa farina tsy afaka hifaly
fa mijaly ny fitiavako tsy misy mba mitsetra
fa fitahin-dava izao
moana tsy niteny nanaiky ny herisetra
resy sady lao
ankehitriny kosa nofohazina mahalana
k'injao mitraotra mafy
ilay fitiavako efa tofoka toa te-hiverin-dalana
manahy ny hanan-drafy
ho tiako ianao kanefa
ataoko ahoana indray ny fomba hanilihako
ny lavenon'ireo lasako
ireo ratrako hatrizay moa ho sitranao indray
rehefa taitra ny fitiavako ?
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/nyaritra
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152