You are here: home > Vetso

Tsy misy tia ireny - Nyaritra

Azo vakiana?

tsy misy tia ireny ka
aza mikiry intsony
hahalala ny ao am-pony
dia handrera-tena foana
hanenjika fotoana
mba hiaonana aminy
aza mitady sazy
havalinao azy
fa hevero ho tsisy antony
ny fony izay nakatony
ekeo f'izay no maminy
aza mikasa hametra
izay sakana rehetra
noho ny kilemanao
f'ekeo tsotr'izao
fa anao io fa tsy anjarany
eny, aza mihafahafa
fa raiso izay mitafa
dia aoka tsy ho taitra
ity maso toa miraika
noho ny angolangolan-teny
fa...tsy misy tia ireny

Mombamomba

Mpanoratra : Nyaritra

Nampiditra : Nyaritra
Daty : 18/04/2008
Mpamangy : 801
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Roa mira iray
talaho
Asa ianao iny
ianao
tiako raha...
mety aho